Fifohazam-panahy lehibe fahefatra

Ny fifohazam-panahy lehibe fahefatra dia fifohazam-panahy kristiana izay heverin' ny mpikaroka, ndrindra ny mpahay tantara ara-toekarena Robert Fogel, fa ny nitranga tao Etazonia tamin' ny fiafaran' ny taompolo 1960 sy tamin' ny fiantombohan' ny taomplo 1970, fa ny mpikaroka hafa dia miompana amin' ny vanim-potona nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa. Atao hoe Fourth Great Awakening izany amin' ny teny anglisy. Iadian-kevitra ny fampiasana io andian-teny hoe "fifohazam-panahy lehibe fahefatra" io, maro ireo mpahay tantara izay mihevitra fa ny fiovana ara-pivavahana izay nitranga tao Etazonia nandritra ireo taona ireo dia tsy mitovy lanja amin' ny fifohazam-panahy lehibe telo teo aloha. Tsy ny mpahay tantara rehetra, noho izany, no manaiky io anarana io.

Na heverina ho "fifohazam-panahy" na tsia izany dia maro ny fiovana nitranga. Nihavitsy ny isan' ny mpino ao amin' ny fiangonana prôtestanta lehibe izay nihena ako koa, fa ireo fiangonana mpitahiry ny rakitry ny ela, toy ny fiangonana Batista Tatsimo (Southern Baptist Convention) sy ny Fiangonana Loterana - Sinôdan' i Missouri (Lutheran Church–Missouri Synod) dia nitombo isa, niely manerana an' i Etazonia, nisehoan' ny ady ara-teôlôjia anatiny sy ny fivakisana, ary nanjary natanjaka teo amin' ny sehatra ara-pôlitika. Niely haingana koa ny fiangonana ara-pilazantsara sy fondamentalista sasany. Nandritra izany fotoana izany koa dia nihen-danja amin' ny fomba mahagaga ny lanjan' ny fivavahana teo amin' ny raharaham-panjakana sy teo amin' ny fiarahamonina, ary ny fiangonana mpitahiry ny rakitry ny ela dia niady tamin' izany firehana izany tamin' ny lohahevitra momba ny zon' ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual, Transgender) sy ny fanalan-jaza ary ny kreasiônisma.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search